top of page

Ry havana,

Ho aminareo anie ny Fahasoavan'i Jesoa Kristy Tompontsika. Amena.

NY SABATA ARAKA NY FINOANA KRISTIANA

Ny antony iangonan’ny kristiana amin’ny Alahady fa tsy Asabotsy

 

Teo amin'ny Israely, vahoakan’ny Fanekena taloha, izany hoe: talohan'ny nahatongavan'i Jesoa Kristy teto amin'izao tontolo izao ka namonjeny azy tamin'ny nahafatesany teo amin'ny hazofijaliana sy ny nitsanganany tamin'ny maty, dia Asabotsy na andro fahafito no andro nitsaharan'ny vahoakan'Andriamanitra ho fanompoana sy fanomezam-boninahitra Azy (ary nitsaharana tamin'ny asa aman-draharaha fanao andavanandro).

 

Zava-nitranga roa lehibe no notsarovan'ny zanak'Israely tamin'ny andro Sabata :

1°) Ny namoronan'Andriamanitra an'izao tontolo izao, ka nitsaharany tamin'ny andro faha-7 (Eksodosy 20: 8-11);

2°) Ny nanafahan'ny Tompo ny vahoaka Israely tamin'ny fanandevozana azy tany Egypta (Deoteronomia 5: 12-15) ; mifamatotra amin’ny fanamarihana ny Paska koa ity fahatsiarovana faharoa ity teo amin’ny Israely, dia ny famonoana ny zanak’ondry sy ny fihinanana ny mofo tsy misy masirasira (Eksodosy 12).

 

Jesoa rehefa tonga teto an-tany ary indrindra rehefa nahavita ny iraka famonjena nankinin'Andriamanitra Rainy Taminy dia :

1°) Manome fiainam-baovao ho an'izay mino sy manaraka Azy (II Korintiana 5: 17, Galatiana 2: 20);

2°) Manafaka izay mino Azy amin'ny fanandevozan'ny devoly sy ny fahotana ary ny fahafatesana (Jaona 8: 31-36; Hebreo 2: 14-18), Izy rahateo no Paska voavono ho antsika olombelona (I Korintiana 5 : 7-8 ; Jaona 1 : 29) sy Mofon’aina Izay nidina avy tany an-danitra (Jaona 6 : 35, 48-51).

 

Ny nahatanterahan'ny fahariana fiainana vaovao sy ny fanafahana feno ho antsika olombelona dia tamin'ny nandresen'i Jesoa Kristy ny fahafatesana na ny fitsanganany tamin'ny maty (I Korintiana 15: 13-18). Andro voalohany amin'ny herinandro na Alahady no nitrangan'izany sy nanambarana azy tamin'ny mpianatry ny Tompo na ny fiangonana voalohany (Jaona 20: 1-16, 19-23, 26-29). Noho izany dia io indray no andro miavaka manamarika ny fiainan'izao rehetra izao, ary nanomboka teo dia lasa fotoam-pitsaharana, hihaonana amin'ny Tompo sy hanatanterahana fanompoam-pivavahana io andro voalohany io (Asan'ny apostoly 20: 7, mariho tsara fa sady nivavaka no "namaky mofo" izany hoe nandray ny Fanasàn'ny Tompo ireo fiangonana voalohany ; I Korintiana 16 : 1-4).


 

Tsy mahagaga raha niova ny andro fanompoan'ny Fiangonana miaraka ny Tompo vokatry ny asam-pamonjena nataon'i Jesoa teto amin'izao tontolo izao, satria talohan'ny nahafatesany sy ny nitsanganany tamin'ny maty aza dia nambarany mazava fa Tompon'ny sabata ny Zanak'olona, izany hoe Izy Tenany (Zanak’Andriamanitra, Andriamanitra) (Matio 12: 8; Lioka 6: 5), satria Izy Jesoa mihitsy no tena Fitsaharana marina (Sabata: fitsaharan'ny ady, fijanonan'ny fanaintainana ary tsy misy asa tokony hatao intsony) ho an'ny mijaly sy mila vonjy rehetra (Jaona 5: 1-9, mariho tsara ny voalazan'ny andininy faha-9 eto hoe: "Ary Sabata izay andro izay"). Tsy sitrana mihitsy ilay lehilahy nalemy nandritra ny 38 taona raha tsy nihaona tamin'i Jesoa sy nandray ny fanasitranana mahagaga nomeny.

 

Jesoa Kristy Zanak’Andriamanitra, Ilay voahombo mba hanafaka antsika sy Ilay nitsangana tamin’ny maty mba hanome fiainam-baovao ho antsika, no tena Sabata na Fitsaharana ho antsika, dia Izy Izay miteny hoe : « Mankanesa aty Amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, Izaho no hanome anareo fitsaharana. » (Matio 11 :28).

Ho an’Andriamanitra Irery ny voninahitra. Amena.

Samia hotahian’Andriamanitra.

bottom of page