top of page

Ry havana malala,

Ho aminareo anie ny Fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Amena.

 

NY FITSANGANANA AMIN'NY MATY AMPANANTENAIN'NY TOMPO

 

Hoy i Jesoa Kristy : « Aza matahotra ; Izaho no Voalohany sy Farany, dia Ilay Velona ; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny fiainantsihita. » (Apokalypsy 1 : 17-18). Araka izany, manana traikefa mahomby sy fahaizana feno momba ny fahafatesana sy ny toerana mety hijalian’ny fanahin’ireo maty (fiainantsihita), satria efa niharan’izany sy nandalo tamin’izany toerana izany, ary indrindra momba ny fitsanganana amin’ny maty, satria efa nandresy ny fahafatesana ary velona mandrakizay, i Jesoa Kristy. Tiany hozaraina amintsika olombelona izany, ary ampanantenainy ho an’izay mino Azy.

 

Arakaraky ny vanim-potoana misy ny tsirairay dia manana endrika telo ny fitsanganana amin’ny maty ampanantenain’Andriamanitra antsika ary tena tanterahiny.

 

1°) Ny fitsanganana amin’ny maty ampanantenain’ny Tompo, ho an’ireo efa nodimandry, dia fiverenana tanteraka amin’ny fahavelomana

Hatramin’izay ka mandraka androany ary mandra-pahatongan’ny farandro dia maro ireo nodimandry, lasa vovoka. Ho azy ireo dia mampanantena fananganana ny tenany ho velona Andriamanitra amin’ny Fiverenan’i Kristy amim-boninahitra : « Fa ny Tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ny fiantsoana sy ny feon’ny arkanjely ary trompetran’Andriamanitra, ka izay maty ao amin’ny Tompo no hitsangana aloha » (I Tesaloniana 4 : 16). Fiverenana tanteraka amin’ny fahavelomana io, fa tsy sarintsarim-pahavelomana na sombintsombim-pahavelomana, izany hoe miverina manana vatana velona sy feno amin’ny fahatsaràny ireo efa maty (Ezekiela 37 : 1-14). Ary indrindra, vatana handova ny Fanjakan’ny lanitra izay feno fahasambarana ary tsy hisy fahafatesana intsony no ho an’ny vahoakan’Andriamanitra (Apokalypsy 21 : 1-4). Na samy hitsangana amin’ny maty aza ny olona dia aoka hotsaroana fa izay mino an’i Jesoa Kristy ihany no sady hitsangana amin’ny maty no handeha any amin’ny fahasambarana mandrakizay (Daniela 12 : 2, Jaona 5 : 24-29).

 

Manome toky antsika koa ny Tompo fa na sanatria aza misy ireo tsy manana vatana intsony - satria levona izany noho ny afo nandoro azy, na noho ny asidra, na noho ny fiteleman’ny biby, na noho ny fipoahana, sns… - dia hisitraka fitsanganan’ny tena amin’ny maty koa izy ireo, hiverina hanana vatana velona sy feno : « Ary ny ranomasina dia namoaka ny ny maty tao anatiny ; ary ny fahafatesana sy ny fiainantsihita namoaka ny maty tao aminy » (Apokalypsy 20 : 13a).

 

Tsara homarihana ny anjara asa makadiry sahanin’ny Fanahy Masina eo amin’ny fananganana ny tenan’ireo maty sy ny fanomezany azy fahavelomana mandrakizay (Romana 8 :11 ; I Korintina 6 : 14)

 

2°) Ny fitsanganana amin’ny maty ampanantenain’ny Tompo, ho an’ireo izay hitsena ny Fiverenany amim-boninahitra amin’ny androm-pahaveloman’izy ireo, dia fanovàna ny firafitry ny vatana 

Hisy ireo sisa velona handray ny Fiverenan’ny Tompo amim-boninahitra. Na tsy handalo fahafatesana ara-batana aza izy ireo dia hahazo fitsanganana amin’ny maty koa. Fanovàna ny firafitry ny vatany no hitranga eo amin’ireo mpino handray amin’ny androm-pahavelomany ny Tompo amin’ny farandro. Hovàna hanana vatana tsy mety maty intsony , tsy mety lo intsony izy : « fa vetivety foana, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovàna isika rehetra ; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lo intsony, ary isika hovàna. Fa ity mety lo ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalovana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana. » (I Korintiana 15 : 52-53).

 

 Ny I Korintina 15 : 44 no manazava misimisy kokoa fa vatana manana firafitra vaovao no homena ny mpino amin’ny fitsanganany amin’ny maty na hatafy izay mbola velona amin’ny fotoana hiavian’ny Tompo. « Tena araka ny fomban’aina » no tenantsika olombelona izao : araka ny teny grika hoe : « sôma psychikôn », vatana baikon’ny atidoha (psychê). Fa amin’ny Fiverenan’ny Tompo dia hovàna ho « tena araka ny fombam-panahy », « sôma pneumatikôn », vatana baikon’ny Fanahy Masina (Pneuma).

 

3°) Ny fitsanganana amin’ny maty ampanantenain’ny Tompo, ho an’ny mpino, dia fiainam-baovao iainana dieny izao

Tsy zavatra hitranga amin’ny farandro fotsiny ny fitsanganana amin’ny maty, fa dieny izao dia efa misy akony eo amin’ny toe-panahintsika kristiana, noho ny fiombonantsika amin’Ilay efa nitsangana tamin’ny maty. Ny Fitsanganan’ny Tompo tamin’ny maty tokoa dia mitondra fiainam-baovao ho antsika : « mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy tamin’ny maty tamin’ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin’ny fiainam-baovao » (Romana 6 : 4). Ny fiainam-baovao resahina eto dia fiainana vaovao ao amin’ny toetrany na ny maha-izy azy (araka ny teny fototra grika kainotêti zôês).

 

Fiainana tarafin’ny fanamarinana avy amin’ny Tompo no anjarantsika izay mino an’i Jesoa Kristy Ilay nitsangana tamin’ny maty mba ho fanamarinana antsika (Romana 4 : 25), izany hoe : voavela heloka isika, ary mandray sy miaina ny fanamarinana avy amin’ny Tompo.

 

Ankoatra izay, ny mpino dia omena herim-panahy avy amin’i Kristy Izay nitsangana tamin’ny maty mba hialàny amin’ny faharatsiam-pitondratena (Asan’ny apostoly 3 : 26). Satria miombona amin’i Jesoa efa nandresy ny fahafatesana izy dia antsoina ho afaka amin’ny fangejan’ny ota : « Koa aza avela ny ota hanjaka amin’ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny filàny » (Romana 6 : 12).

 

Manjary manana ny hasiny ny vatan’ny mpino noho ny fitsanganana amin’ny maty hiafarany rahatrizay. Noho izany, atokana ho an’ny Tompo izy, ka tsy tokony hatolotra ho an’ny fahalotoam-pitondrantena intsony : « Fa ny tena kosa dia tsy ho an’ny fijangajangana, fa ho an’ny Tompo ; ary ny Tompo ho an’ny tena. Ary Andriamanitra efa nanangana ny Tompo sady hanangana antsika koa amin’ny Heriny. » (I Korintiana 6 : 13-14). Na mbola ety an-tany aza isika, miandry ny Fiverenan’ny Tompo amim-boninahitra dia tokony hahatsiaro fa efa eo anatrehan’Andriamanitra koa ankehitriny ao amin’ny fiombonantsika amin’i Kristy Izay eo ankavanan’Andriamanitra Rainy ao an-danitra : « Ary niara-natsangany isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin’i Kristy Jesoa » (Efesiana 2 : 6 ; ampitovio amin’ny Kolosiana 3 : 3-4)

 

Ary indray, ny toe-tsaintsika mpino mihitsy no vaovao, miavaka, vokatry ny fiombonantsika amin’ny fandresen’i Jesoa Kristy ny fahafatesana. Ny tanjontsika dia ny any an-danitra fa tsy ny zava-tsoa mandalo eto an-tany. Ny soatoavina sy ny fenikevitra mandrafitra ny fandinihana ataontsika koa dia araka ny Tenin’Andriamanitra izay fanambaràna avy an-danitra sy ny Fitiavany antsika. Izay no antso ampitain’i Paoly apostoly amintsika hoe : « Koa raha niara-natsangana tamin’i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ny itoeran’i Kristy, Izay mitoetra eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra. Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra ety an-tany » (Kolosiana 3 : 1-2, 12-17). Mazava koa fa manana finoana sy fanantenana ny Tompo tsy azo hozongozonina isika, tsy ny amin’ny fiainana mandalo ety an-tany ihany, fa indrindra ny amin’ny ho avy mandrakizay (I Tesaloniana 4 : 13-14 ; I Korintiana 15 : 19).

 

Eto koa no idiran’ny Fanahy Masina an-tsehatra eo amin’ny fanomezana fiainam-baovao ho antsika. Izy no mitarika sy mampahery ny mpino hiaina ny maha-zanak’Andriamanitra azy sy hiala amin’ny fangejan’ny maha-olombelona mpanota (Romana 8 : 9-17). Ny Fanahin’ny Tompo Izay monina sy manjaka ao amintsika no manome antsika fanantenana mahery sy mampahavokatra antsika amin’ny toetra tsara mifamatotra amin’ny Fitiavan’Andriamanitra (Romana 5 : 1-5 ; Galatiana 5 : 22-24).

 

Ny fitsanganana amin’ny maty ampanantenain’ny Tompo ary, ho an’ireo efa nodimandry, dia fiverenana tanteraka amin’ny fahavelomana ; ho an’ireo izay hitsena ny Fiverenany amim-boninahitra amin’ny androm-pahaveloman’izy ireo, dia fanovàna ny firafitry ny vatana ; ary ho an’ny mpino, dia fiainam-baovao iainana dieny izao.

 

Hoy i Jesoa: « Izaho no Fananganana ny maty sy Fiainana ; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay » (Jaona 11 : 25,26). Eo am-piandrasana ny fitsanganana amin’ny maty amin’ny fahafenoany dia efa manana sahady ao anatintsika ny fiainana mandrakizay isika. Tsy fandresena ny fahafatesana ara-batana fotsiny no ampanantenain’ny Tompo antsika fa fiainana tsy tapak’izany fahafatesana ara-batana izany koa. Mitohy ary maharitra mandrakizay ny fiombonantsika amin’ny Tompo ary izay no ananantsika fiainan-tsambatra tsy manam-pahateparana. Ary izay mpino nodimandry dia ao amin’ny Tompo ary sambatra miaraka Aminy ao an-danitra, eo am-piandrasana ny fananganana ny tenany amin’ny maty (Filipiana 1 : 21-23 ; Apokalypsy 14 : 13).

 

Ho an’Andriamanitra Irery ny voninahitra ! Amena.

Mirary soa, ary samia hotahian’Andriamanitra.

bottom of page