top of page

I Jaona 4 : 12–16 : NY FANAHY MASINA SY NY FITIAVANA

 

Ry rahalahy sy anabavy malala,

Faly miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika.

Ankatoavy ny fitarihan’ny Fanahy Masina

 

Ity I Jaona 4 : 12–16 ity dia mampianatra antsika ny maha-zava-dehibe ny fankatoavana ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Miompana amin’ny lafin-javatra roa lehibe izany fampianarana izany.

1°) Ankatoavy ny fitarihan’ny Fanahy Masina Izay mitaona antsika handray ny Fitiavan’Andriamanitra

Mitaona antsika handray ny Fitiavan’Andriamanitra ny Fanahy Masina : « Izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao Aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny nanomezany antsika ny Fanahiny. Ary izahay efa nahita ka manambara fa ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao. Na iza na iza manaiky fa Zanak'Andriamanitra Jesoa, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin'Andriamanitra. » (andininy 13-15). Azontsika valiana izany amin’ny fanekena ny fitarihan’ny Fanahy Masina Izay hampiseho amintsika ny Fitiavan’Andriamanitra, izay tsy fihetseham-po fotsiny, fa fanomezana sarobidy sy iraka mikendry ny famonjena antsika indrindra koa (Jaona 3 :16), tao amin’ny Tenan’ny Zanany Lahitokana, dia i Jesoa Kristy. Nanao sorona ny Ainy tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana i Jesoa Kristy mba hamonjeny antsika, ny antony dia satria tia antsika amin’ny Fitiavana lehibe indrindra Izy (Jaona 15 :13). Tia antsika amin’ny Fitiavana mandray andraikitra Andriamanitra, mirotsaka an-tsehatra sy manolo-tena ho an’ny famonjena antsika Izy ary mamangy antsika ao anatin’ny fahavoazantsika noho ny fitiavany antsika. Miantefa amin’ireo fahavalony ny Fitiavan’Andriamanitra (« izao tontolo izao », avy amin’ny grika kosmos, dia manondro ny fitambaran’ireo izay manohitra ny Tompo, ireo izay tsy mihetsi-bolo-maso manoloana ny antsom-pitiavany). Sitrany ny hanolotra ho azy ireo ny tsara indrindra, dia ny fiainana mandrakizay. Rehefa mankatoa ny fitarihan’ny Fanahy Masina isika, amin’ny finoana an’Ilay Fitiavan’Andriamanitra tonga nofo, dia i Jesoa Kristy, dia arotsany ao am-pontsika ny Fitiavan’Andriamanitra ary ampidiriny ao amin’ny fiombonana feno amin’Andriamanitra isika.

 

Mampahazo vahana ireo fampanantenana fitiavana isan-karazany ny vaninandro iraisam-pirenena sarotra ankehitriny. Kanefa, eo ambany fitsilovan’ny Fanahy Masina dia fantatsika ny fitiavana tsara indrindra, dia ny Fitiavan’Andriamanitra, ilay azo antoka indrindra, Ilay Tompo avy manatona antsika, Ilay tonga mba hihaona amintsika. Manoloana ny tontolo manjavozavo tsy hahitana mazava izay tokony haleha, dia afaka mitoky tanteraka amin’ny Fitiavan’Andriamanitra mandrakizay isika, izay ahafahantsika miatrika ny ankehitriny mahatorovana sy manangana ho avy tsara kokoa. Ao anatin’ireo fijaliana mahazo antsika sy eo anatrehan’ireo tranga mampalahelo tsy ampoizina eto an-tany dia manome toky antsika tsy tapaka ny Tompo amin’ny fitenenana hoe : « Fitiavana mandrakizay no itiavako anao, koa izany no ampaharetako famindrampo ho anao » (Jeremia 31 : 3).

 

2°) Ankatoavy ny fitarihan’ny Fanahy Masina Izay mahatonga antsika hifampizara Fitiavana marina

Manentana antsika hifankatia ny Fanahy Masina Izay monina sy manjaka ao amintsika : « Tsy mbola nisy olona nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana. Raha mifankatia isika, dia mitoetra ato amintsika Andriamanitra, ary tanteraka ato amintsika ny Fitiavany.

Ary isika efa mahalala sy mino ny Fitiavan'Andriamanitra antsika, Andriamanitra dia Fitiavana; ary izay mitoetra amin'ny Fitiavana no mitoetra ao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy. » (andininy 12 sy 16) Ny mifankatia amin’ny alalan’ny Fitiavana Agapè (amin’ny alalan’ny Fitiavan’Andriamanitra)  no resaka eto. Ary ity Fitiavana ity no miverimberina eto amin’ity perikopa ity. Izany hoe : raha mankatoa ny fitarihan’ny Fanahy Masina isika dia homeny fahafahana hifampizara ny Fitiavana marina, dia ny Fitiavan’Andriamanitra.

 

Araka izany, tokony handini-tena isika ny amin’ny lentan’ny fitiavana izay zaraintsika amin’ny hafa sy ifampizaràntsika. Mba mifampizara ny Fitiavana marina ve isika ? Fitiavana manao ahoana no entintsika manompo ny Tompontsika ?

 

Marina tokoa fa raha jerena ny Testamenta Vaovao izay nadika avy tamin’ny teny grika sy ny tontolon’ny voambolana mifamatotra aminy dia azo sokajiana amin’ny antanantohatra misy lenta folo ny fitiavana rehetra :

 

                 (i) Pornéïa : Ny ambany indrindra ao anaty antanantohatra dia ny fitiavana pornéïa izay fitiavana-hatendan-kanina. Izany hoe : ity fitiavana ity dia mirefarefa amin’ny fitsetsefana ny hafa ary mirona ho amin’ny fanaovana ny hafa ho toy zavatra sy  ho amin’ny fanakelezana azy, izay mety hiafara hatramin’ny fiheverana azy ho toy ny entam-barotra mihitsy aza.

                 (ii) Pothos : Ny fitiavana pothos dia fitiavana-filàna, tena sarotiny amin’izay tiany izy izay heveriny ho toy ny fananany. Manamarika azy ny famaritana ny hafa ho toy ny fananana eo am-pelantanany sy ny fanagolena azy.

                 (iii) Mania pathè : Ny fitiavana mania pathè dia fitiavana-afo mandoro, izany hoe : fironana tsy hay tohaina sady mahery setra izay manandevo, ary mety hahalasa adala mihitsy, izay manana azy.

                 (iv) Éros : Ny fitiavana éros dia fitiavana miompana amin’ny fahafinaretana ara-nofo, mandrehitra ny faniriana hanao firaisana ara-nofo.

                 (v) Philia : Ny fitiavana philia dia fitiavana mifototra amin’izay ifanaovan’ny andaniny sy ny ankilany ary ny fifanakalozana eo amin’ireo olona izay ampifandraisiny ; mamelona ity fitiavana ity ny « atero ka alao » sy ny fifandraisana samy ahazoan’ny andaniny sy ny ankilany tombontsoa. Eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka, na eo amin’ny mpiray tampo, na eo amin’ny mpinamana, na eo amin’ny mpihavana no tena isehoany.

                 (vi) Storgè : Ny fitiavana storgè dia fitiavana-fahalemem-panahy, izay miseho amin’ny hatsaram-panahy sy ny fanehoana amin’ilay tiana fa manan-danja izy.

                 (vii) Harmonia : Ny fitiavana harmonia dia fitiavana-firindràna izay miavaka amin’ny fikatsahana firindràna, izany hoe : fifanarahan-kevitra, fitoviam-pijery, sns miaraka amin’ny hafa na amin’ny manodidina ny tena.

                 (viii) Eunoïa : Ny fitiavana eunoïa dia fitiavana-fandavantena izay mifahatra amin’ny fangorahana na ny fitserana.

                 (ix) Charis : Ny fitiavana charis dia fitiavana-fankasitrahana izay mifantoka indrindra amin’ny fankalazana ny hafa noho ny tsara izay nataony.

                 (x) Agapè : Ary eo amin’ny faratampon’ny antanantohatra ny Fitiavana Agapè izay Ilay Izy-Fitiavana na Ilay Mandrakizay-Fitiavana, Ilay Fitiavana lavorary sy tsy mety ritra, Ilay Andriamanitra Izay tia tsy misy fepetra ary mandrakizay. Fitiavana baikoin’ny « na dia aza… », fa tsy ny « satria… », ny Agapè.

 

Na ho toy inona na toy inona ny ho vokatry ny fandinihantena ataontsika dia ampaherezin’ny Fanahy Masina isika hifampizara ny Fitiavana Agapè, eo anivon’ny fanambadiana na ny fifankatiavan’olon-droa, eo anivon’ny ankohonana, eo anivon’ny fikambanana sy ny fiangonana, eo amin’ny fanompoantsika ny Tompo, sns. Aseho amin’ny asa sy amin’ny marina ho an’ny hafa ny Fitiavan’Andriamanitra izay noraisintsika (I Jaona 3 : 18). Tian’ny Fanahy Masina ary azony atao ny hanampy antsika hiaina amin’izany isan’andro mandra-pialan’ny fofonaintsika farany.

 

Raha fehezina dia izao no hafatra : ankatoavy ny fitarihan’ny Fanahy Masina Izay mitaona antsika handray ny Fitiavan’Andriamanitra sy mahatonga antsika hifampizara Fitiavana marina.

 

Ho an’Andriamanitra Irery ny voninahitra. Amena.

Samia hotahian’Ilay Andriamanitra-Fitiavana.

 

bottom of page