top of page

II Korintiana 4 : 12-15 - NY FAMONJENA ANDRANDRAIN'NY MINO AO ANATIN4NY FOTOAN-TSAROTRA 

 

Ry havana malala,

Ho aminareo anie ny Fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika. Amena.

Ny famonjena andrandrain’ny mino ao anatin’ny fotoan-tsarotra

« fa fantatray fa Izay nanangana an'i Jesosy Tompo no hanangana anay koa miaraka amin'i Jesoa ka hanolotra anay miaraka aminareo. » (II Korintiana 4 : 14)

Ao anatin’ny fotoan-tsarotra dia miandrandra famonjena ny mino. Araka ny hita eo amin’ny II Korintiana 4 : 12-15, izay fintinin’ity andininy faha-14 ity dia misy lafiny telo mampiavaka izany famonjena izany.

1°) Ny famonjena andrandrain’ny mino ao anatin’ny fotoan-tsarotra dia fiafaran’ny fiaretana fijaliana :

Misy farany ny fijaliana iaretan’ny mpino. Izany no andrandrainy amim-panantenana. Miaritra fijaliana isan-karazany izy eo am-panarahana ny Tompo, miendrika fahafatesana maroloko izy ireny (andininy 12 a). Eo ireo fahavalon’ny Filazantsara maro toy ireo natrehan’i Paoly apostoly. Ary misy koa ny tranga mampalahelo eo amin’ny fifandraisan’ny mpino samy mpino tahaka ny fifandraisana sarotra teo aminy sy ny fiangonana tao Korinto.

Saingy manoloana ireny dia mila miaritra sy maharitra isika. Ny fijaliana iaretantsika dia fanoitra manentana antsika hiandrandra ny famonjena avy amin’ny Tompo. Ary tena marina eto ilay oha-pitenenana hoe : « Aorian’ny aizina mikitroka ny mazava » (Post tenebras lux). Izany hoe : arakaraky ny hahatsapantsika fa mafy mila tsy ho tanty ny fijaliana mahazo antsika no tokony hiandrandrantsika fa efa akaiky ny famonjena antsika.

Ry havana, famonjena ho ahy sy ho anao ny hazofijaliana niaretan’i Jesoa Tompontsika, ary fanasitranana sy famelan-keloka ary fiainana mandrakizay no tovozintsika ao amin’ny dian-kapoka tamin’ny Vatany sy ao amin’ny Ràny sarobidy nalatsaka tao Kalvarý.

2°) Ny famonjena andrandrain’ny mino ao anatin’ny fotoan-tsarotra dia fandresena ny fahafatesana miaraka amin’i Kristy :

Tsy fitsaharan’ny fijaliana mahazo amin’izao fiainana izao fotsiny no famonjena andrandrain’ny mpino fa indrindra fiarahana mandresy ny fahafatesana amin’i Jesoa Kristy. Ny tena antenain’ny apostoly Paoly dia ny fitsanganana amin’ny maty : « fa fantatray fa Izay nanangana an'i Jesosy Tompo no hanangana anay koa miaraka amin'i Jesosy », hoy izy. Faratampony amin’ny akon’ny famonjena ny fitsanganana amin’ny maty ; hitranga izany amin’ny fiverenan’ny Tompo amim-boninahitra.

Zava-dehibe ho antsika ary ny miandrandra ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty, fa tsy ho variana hitady vahaolana sy vonjy ho an’ny fiainantsika mandalo eto an-tany fotsiny. 

Manova ny fomba fijerintsika koa ny fiandrasana ny fitsanganana amin’ny maty satria tsy miandry fahafatesana na fahalovana velively isika.

Ny fisiantsika manontolo sy ny tetikasantsika ary ny asantsika rehetra dia mitodika tanteraka ho any amin’ny fiainana sy ny mandrakizay.

Ry rahalahy sy anabavy malala, efa nandresy ny fahafatesana i Jesoa Mpamonjy antsika. Tsy maty intsony Izy fa velona mandrakizay. Ary ny Fandreseny dia ho antsika ihany koa. Koa andrandrao mihoatra nohon’ny zava-tsoa hafa izany, ary aoka handrafitra ny kolontsainantsika, mba ho mpivoy ny kolontsainan’ny fiainana isika eto anivon’izao tontolo izao.

3°) Ny famonjena andrandrain’ny mino ao anatin’ny fotoan-tsarotra dia lova iombonana amin’ny vahoakan’Andriamanitra manontolo :

Lova iombonan’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra ny famonjena ampanantenaina ny mino ary andrandrainy. Miandrandra famonjena iombonany amin’ny mpianakavin’ny finoana ny mpino, fa tsy ho an’ny tenany ihany. Mazava ny fanambaràn’i Paoly apostoly eto : « ka hanolotra anay miaraka aminareo ». Ireo mpino tany Korinto izay nihataka taminy tsikelikely ny fony dia tiany hiombona famonjena aminy.

Tsy fomba fisainana sy fomba fiteny kristiana mihitsy ary tsy tokony hampiasaina eo anivon’ny tokantrano kristiana sy ny Fiangonana ny hoe : « Samia mamonjy ny tenany », « Samy mandeha, samy mitady. »

Famonjena vokatry ny Fitiavana ary mampifankatia sy mampihavana ary mampiombona ny nataon’i Jesoa Kristy ho antsika. Ary lova iray dia ny Fanjakan’ny lanitra no anangonany ny vahoakany mba ho hiara-tsambatra mandrakizay eo anilany. Ny Fanasàn’ny Tompo izay andraisantsika anjara dia mampahatsiahy sy manamafy izany.

Aoka ary mba hohalavirintsika ny fitiavantena sy ny fizahozahoana ary ny fiolonolonana eo am-piandrasana ny famonjena avy amin’Izy Tompo.

 

Fehiny, aoka hotsaroana fa ny famonjena andrandrain’ny mino ao anatin’ny fotoan-tsarotra dia fiafaran’ny fiaretana fijaliana, fandresena ny fahafatesana miaraka amin’i Kristy ary lova iombonana amin’ny vahoakan’Andriamanitra manontolo.

 

Ho an’Andriamanitra Irery ihany ny voninahitra ! Amena !

Samia hotahian’Andriamanitra.

bottom of page