top of page

SAROBIDY NY FIAKARAN'NY TOMPO JESOA HO ANY AN-DANITRA

Ry havana malala,

 

Ho aminareo anie ny Fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Amena.

 

Dingana iray manan-danja teo amin’ny lalam-piainan’i Jesoa Kristy sy ny Tantaram-pamonjena ny niakarany ho any an-danitra. « Niakatra ho any an-danitra, ary mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra Ray Tsitoha » Izy, hoy ny Fanekem-pinoantsika kristiana. Tena zava-nitranga marina izany fa tsy nofinofy tsy akory na angano. Mifono hevi-panahy lalina koa ka tokony hanentana ny olona rehetra, indrindra ny kristiana.

 

1°) Manasongadina ny fahambonian’ny Famonjena vitan’i Jesoa Kristy ny Fiakarany ho any an-danitra

Fiverenana any amin’Izay naniraka Azy, dia Andriamanitra Rainy, no dikan’ny Fiakaran’i Jesoa Kristy ho any an-danitra (Jaona 16 : 5). Nirahin’ny Rainy hamonjy izao tontolo izao tokoa Izy (Jaona 3 :17). Koa rehefa vitany soamantsara izany iraka famonjena ho an’ny olombelona izany, tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana sy ny Fitsanganany tamin’ny maty, dia niakatra ho any an-danitra Izy (Jaona 19 : 28-30 ; I Korintiana 15 : 17-20 ; Hebreo 10 : 12). Niverina eo anilan’ny Rainy Izy, niverina tamin’ny voninahitra maha-Zanak’Andriamanitra Azy, manana ny fahefana rehetra amin’izao rehetra izao, na ny tontolon’ny fanahy (any an-danitra) na ny tontolon’ny azo tsapain-tanana (etý an-tany). Izay ilay hoe : « eo ankavanan’Andriamanitra » (Matio 28 :18). Tena tonga lafatra sy mahomby ny Famonjena vitan’i Kristy fony Izy tety an-tany : mahavonjy sy andraisana famelan-keloka izany ; mahasoa ny olona manontolo sy ny olona rehetra, ary misy akony tsara amin’ny ankehitriny sy ny ho avy ary ny fiainana any ankoatra. Ary na efa any an-danitra aza Izy taorian’ny nahavitany ny famonjena dia mbola manohy mikarakara antsika olombelona, mivavaka sy mifona ho antsika, manatanteraka ny fanompoana maha-Mpisoronabe tsara lavitra Azy (Romana 8 : 34 ; Hebreo 6 : 20 ; 7 :25 ; 9 : 11 ; I Jaona 2 : 1).

 

2°) Manamafy ny fiarahan’ny Tompo amin’ ny mpino mandritra ny fiainana an-tany amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny Fiakarany ho any an-danitra

Na misy aza ny fisarahana ara-batana teo amin’i Jesoa sy ny mpianany dia tsy midika velively famelàna ho irery ireto farany sy izay rehetra manara-dia Azy ao amin’ny fahavoazany izany. Fa mainka aza mikendry fanamafisana ny fiombonam-piainana eo amin’i Jesoa sy ny mpino ny Fiakarany ho any an-danitra, tamin’ny fahatongavan’ny Fanahy Masina, Izay tsy Iza fa Jesoa velona sy manjaka ao anatin’ny mpino. Na tsy ety an-tany hita maso ara-batana intsony aza Izy dia miaraka amin’ny vahoakany amin’ny toerana sy ny fotoana rehetra, mampionona sy mampahery azy, manolo-tsaina sy mampianatra ary mitarika. Tsy eo anilan’ny mpino fotsiny ao anatin’ny toerana sy fotoana voafetra tahaka ny nisy fony Jesoa tetý an-tany, fa ao anatintsika amin’ny fotoana sy toerana ary ny toe-javatra rehetra ny Fanahy Masina. Izany no maha-tombony ho an’ny kristiana ny Fiakaran’ny Tompo ho any an-danitra. (Jaona 16 :7 ; Matio 28 : 20 ; Marka 16 : 19-20). Ankehitriny dia misolo tena an’i Jesoa Kristy ao anatin’ny mpino etý an-tany ary mizara aina aminy ny Fanahy Masina, ary any an-danitra dia misolo tena antsika mpino eo anatrehan’Andriamanitra Ray i Jesoa Kristy (Romana 8 : 11-17 ; Efesiana 2 :6).

 

 3°) Manentana ny Fiangonana hazoto amin’ny fitoriana ny Filazantsara ny Fiakarany ho any an-danitra

Nialohan’ny niakarany ho any an-danitra dia teny farany nataon’i Jesoa tamin’ireo mpianany, izany hoe : hafatra manan-danja navelany ho an’ny Fiangonana, dia ny fanirahana ny mpino hitory ny Filazantsara ho an’ny olombelona rehetra, manerana an’izao tontolo izao (Matio 28 : 18-20 ; Marka 16 : 15-20 ; Lioka 24 : 44-52 ; Asan’ny apostoly 1 : 1-9). Satria niverina any an-danitra ny Tompo Jesoa dia adidy apetrany amin’izay rehetra mino Azy ny hanao sy hanohy ny asa izay nataony fony Izy tety an-tany, dia ny fitoriana ny Filazantsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fizaràna ny Famonjena ho an’ny hafa (Jaona 14 :12).

 

4°) Manomana ny olombelona ho amin’ny Fiverenan’i Jesoa Kristy amim-boninahitra ny Fiakarany ho any an-danitra

Manampy ny mpino hahatsiaro fa mbola hiverina amim-boninahitra i Jesoa Kristy ny fiakarany ho any an-danitra : tahaka ny niverenany ho any an-danitra no hiverenany indray (Asan’ny apostoly 1 : 11 ; Apokalypsy 1 :7). Ny Fiakaran’ny Tompo ho any an-danitra sy ny Fiverenany avy any dia samy mikendry ny handraisana ny vahoakany honina sambatra any mandrakizay miaraka Aminy (Jaona 14 : 1-3). Manomana antsika ho amin’ny tanjona hiafarantsika ny fiverenan’i Jesoa ho eo anilan’ny Rainy, dia ny Fanjakan’ny lanitra, ary mampisongadina ny maha-izy antsika kristiana misy dikany indrindra, dia ny maha-vahoakan’ny lanitra antsika (Filipiana 3 : 20-21). Noho izany dia afaka amin’ny gejan’ny fiainana ara-nofo mandalo izay miorina amin’ny fahafinaretana sy harena ary voninahitra miserana ireo mahatsiaro sy mino ary miaina ny Fiakaran’ny Tompo ho any an-danitra (Filipiana 3 : 7-19 ; II Korintiana 5 : 1-8).

 

Fehiny, sarobidy tahaka ny Noely sy ny Paska ary ny Pentekosta ny Andro Niakaran’i Jesoa ho an’ny an-danitra : manasongadina ny fahambonian’ny Famonjena vitan’i Jesoa Kristy, manamafy ny fiarahan’ny Tompo amin’ ny mpino mandritra ny fiainana an-tany amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, manentana ny Fiangonana hazoto amin’ny fitoriana ny Filazantsara ary manomana ny olombelona ho amin’ny Fiverenan’i Jesoa Kristy amim-boninahitra izany.

 

Ho an’Andriamanitra Irery ny voninahitra. Amena.

Mirary soa indrindra, ary samia hotahian’Andriamanitra.

 

bottom of page