top of page
mofon'aina 31 Martsa 2020

Ry havana malala,

Faly miarahaba anareo amin'ny anaran'ny Tompo Jesoa.

« Fa raha hiverina amin’i Jehovah ianareo, dia hahazo famindrampo eo anatrehan’izay nitondra azy ho babo ny rahalahinareo sy ny zanakareo, ka dia ho tafaverina amin’ity tany ity izy ; fa miantra sy mamindra fo Jehovah Andriamanitrareo, ary tsy mba hiamboho anareo Izy, raha miverina Aminy ianareo. » (II Tantara 30 : 1-9)

Antsoina isika mpino ankehitriny, tahaka an’ireo mpiara-belona tamin’i Hezekia, mba hiverina amin’ny Tompo Andriamanitra, mba hibebaka, amin’ny fanomezan-danja (indray) ny fanamarihana ny Paska. Ny hatao amin’izany dia ny mankalaza an’ Ilay Andriamanitra Mpanavotra Izay mamonjy ny vahoakany amin’ny fandringanan’ny fahafatesana ary mitarika azy ho any amin’ny ho avy sambatra, ilay ho avy izay hohazavain’ny Fanatrehany mitondra fanafahana.

Sarobidy ary misy akony amin’ny fandehan-javatra ny fiarovan’ny Ra sarobidin’i Jesoa Kristy – Ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra araka ny Paska Izay manala ny fahotan’izao tontolo izao –. Ny Ran’i Kristy no miantoka ho antsika ny fandalovan’ny fahafatesana tsy mampaninona (Pessah, Paska), izany hoe : ny fandresentsika ny fahafatesana (fahasitranana, fitsanganan’ny tena amin’ny maty ary fiainana mandrakizay).

Ho antsika, ny fanomezan-danja (indray) ny fanamarihana ny Paska dia midika zava-droa loha :

1°) Fifantohan’ny maha-izy antsika manontolo amin’izay tena ilaina : ny Mofon’aina Izay tsy iza fa i Jesoa Kristy ;

2°) Fanamasinana ny fontsika : izany hoe fanokanana tanteraka ho an’ny Tompo Andriamanitra ny ivon’ny fanapahan-kevitsika, ireo fototra na ivo anorenantsika ny fiainantsika.

Hanome dikany sy heriny ho an’ny fibebahantsika ny fankalazana an’i Jesoa Kristy, Ilay Tena Paska ho antsika, sy ny fifamatorana mafy sy mahatoky amin’ny Tenany. Noho Ilay Paska ho antsika, hiafara amin’ny fihariharian’ny Fitiavany mandrakizay sy ny Fahatsaràny tsy manam-paharoa amintsika ny fiverenantsika amin’Andriamanitra. Hahatonga antsika sy ny fianakaviantsika ho afaka handao ny endrika fahababoana, fihibohana ary fahandevozana rehetra, sy, hiaina sambatra mandrakizay eo anilan’Ilay Tompon’ny fiainana ao an-Tranon’ny Raintsika izany fiverenana amin’Andriamanitra izany.
Tetezamita mampiorina finoana ity Soratra Masina voalahatra araka ny Mofon’aina androany ity, tetezamita mampitohy ny lohahevitr’ity volana Martsa madiva hifarana ity (« Miverena amin’ny Tompo Andriamanitrao ») sy ny an’ny Aprily 2020 (« Vavolombelon’ny fitsanganan’ny Tompo ny mino »). Maneho amintsika ny hasarobidin’ny fankalazana ny Tompo mandritra ny Herinandro masina (Herinandron’ny Paska) et manentana antsika ho amin’izany.

Ho an’Andriamanitra Irery ny voninahitra ! Amena.

Mba hahazoana misimisy kokoa ny fampianarana, vakio koa : Eksodosy 12 ; Nomery 9 : 1-14 ; I Korintiana 5 : 6-13.

 

Mirary soa sy faherezana ary fahasalamana feno ho anareo.
Miombom-bavaka hatrany ao amin'ny Tompo isika.
Samia hotahian'Andriamanitra.

 

bottom of page