top of page
mofon'aina 03 aprily 2020

Ry havana malala,

 

Faly miarahaba anareo amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa.

« Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezenareo aina ao amin’ny Tompo. » (I Korintiana 15 : 57-58)

VAVOLOMBELON'NY FITSANGANAN'NY TOMPO NY MPINO 

Lahatsoratra mampianatra antsika feno ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty, indrindra ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty, ny I Korintiana 15. Fandresena miezinezina no azon’i Jesoa teo anatrehan’ny fahafatesana, izay tena levona tokoa (andininy 54). Vavombelona natao hanambara izany isika mpino, amin’ny alalan’ny toe-panahy telo.

1°) Vavolombelon’ny fitsanganan’ny Tompo ny mpino amin’ny alalan’ny fahaiza-mankasitraka Azy

« Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika » (andininy 57). Asain’ny Tompo mijoro ho vavolombelony isika mpino amin’ny fisaorana Azy noho fandresena lehibe omeny antsika amin’ny alalan’ny famonjena nataon’ny Zanany ho antsika. Jesoa Kristy, maty teo amin’ny hazofijaliana nefa nandresy ny fahafatesana, dia manome fandresena ho antsika mpino koa. Hampandova antsika ny Fanjakan’ny lanitra Izy (andininy 50), ary hanangana ho velona izay efa maty ara-nofo na hanova ny firafitry ny vatan’izay sisa velona amin’ny Fiverenan’ny Tompo hanjary ho vatana tsy mety maty intsony (andininy 52, 44). Isan’andro dia tokony ho feno fankasitrahana ny Ray isika satria mpandresy miaraka amin’i Kristy Zanany. Na toa mampalahelo aza ny fiainantsika mandalo eto an-tany dia fandresen’ny fiainana ny fahafatesana no hiafaran’izany. Na toa mahantra tsy manana na inona na inona aza isika dia ao ny lanitra hanangonan’i Jesoa Mpandresy antsika ho sambatra mandrakizay eo anilany. Manoloana ireo vaovao mampalahelo rehetra amin’izao fotoana izao dia adidintsika ny mitory sy mizara ny fanantenana tsy azo hozongozonina entin’ny fitsanganan’i Jesoa.

 

2°) Vavolombelon’ny fitsanganan’ny Tompo ny mpino amin’ny alalan’ny fifikirana mafy Aminy ao anatin’ny finoana

« Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova » (andininy 58a). Ara-bakiteny dia dia izao no lazaina eto : mifahara na aoka hifamatotra amin’ny Tompo, aza misaraka Aminy, aza mandao Azy. Ny hanehoantsika kristiana ny fitsanganan’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika sy amin’ny manodidina antsika dia amin’ny fifikirana mafy amin’ny Tompo ao anatin’ny finoana Azy. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia amin’ny alalan’ny fiombonana aina amin’i Jesoa amin’ny fotoana sy ny toerana ary zava-mitranga rehetra no hijoroantsika vavombelona fa velona Izy, efa nandresy ny fahafatesana Izy ka miara-dalana amintsika isan’andro. Mijanona ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana isika ao amin’ny fifamatorana Aminy. Tsy hampatahotra antsika ny ho faty noho ny finoana Azy (ka ho lasa maritiorany) satria efa resiny izany ary miombom-pandresena Aminy mandrakizay isika.

 

3°) Vavolombelon’ny fitsanganan’ny Tompo ny mpino amin’ny alalan’ny fanompoana Azy ho amin’ny tsara kokoa

 « ary mahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezenareo aina ao amin’ny Tompo. » (andininy 58b). Na ny fankalazana ny Tompo na ny fitoriana ny Filazantsarany dia asa fanompoana tanterahan’ireo vavolombelon’ny fitsanganan’i Jesoa Kristy. Tsy asa vita indray andro na atao tsindraindray ireo fa iainana tsy tapaka hatramin’ny fofonaintsika farany. Tsy fanompoana mihena arakaraky ny androsoana sy ny zava-misy koa, fa fanompoana natao hitombo amin’ny fahatsarany sy ny habetsahany. Tsy ho kivy manoloana ny sarotra sy ny fihafiana ao anatin’ny fanompoana ny Tompo ny vavolombelon’ny fitsanganany satria ny herin’ny fahaveloman’i Jesoa no hanafy hery azy sy hanavao azy hatrany, ka hanana fahaiza-miaritra sy faharetana izy satria miandrandra amim-panantenana Ilay Fandresena farany miaraka amin’ny Tompo amin’ny Fiverenany amim-boninahitra.

Andeha isika rehetra hijoro ho vavolombelon’ny fitsanganan’ny Tompo amin’ny alalan’ny fahaiza-mankasitraka Azy, amin’ny alalan’ny fifikirana mafy Aminy ao anatin’ny finoana, ary amin’ny alalan’ny fanompoana Azy ho amin’ny tsara kokoa. Ho an’Andriamanitra Irery ny voninahitra ! Amena.

 Mirary soa sy faherezana feno ho anareo rehetra mandrakariva. Samia hotahian’Andriamanitra.

 

bottom of page