top of page
mofon'aina 14 aprily 2020

Ry havana malala,

 

Faly miarahaba anareo amin’ny anaran’ny Tompo Jesoa.

 

NY FANOMPOANA ANDRASAN'I JESOA KRISTY AMIN'NY VAVOLOMBELONY 

 

Araka ny porofoina ao amin’ny Hebreo 5 : 7-10 dia tena miavaka ny fomba anatanterahan’i Jesoa Tompontsika ny fanompoany ny Rainy. Manome ohatra tsara halaintsika vavolombelony tahaka Izy amin’izany.

 

1°) Ny fanompoana andrasan’i Jesoa Kristy amin’ny vavolombelony dia fanompoana ao anaty fankatoavana feno an’Andriamanitra

Ny andininy 7- 8, indrindra fa ilay tapak’andininy manao hoe : « nianatra fanarahana tamin’izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza » dia mamintina amintsika ny fiainana feno fankatoavana an’Andriamanitra Ray nananan’i Jesoa fony Izy tety an-tany. Ampahatsiahivin’ny andininy 7 ny fialany aina nanomboka tao Getsemane izay niankinany feno tamin’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny vavaka, ary nankatoavany tsy misy fepetra ny Sitrapony. Nahazo valim-bavaka i Jesoa tao Getsemane, dia ny tsy maintsy hahafatesany eo ambony hazofijaliana hahatanteraka ny drafitra ho entin’ny Rainy hamonjy izao tontolo izao. Mariho tsara fa manoloana ny faniriantsika dia ny valim-bavaka omen’ny Tompo antsika izay manompo Azy dia mety ho « tsia », mamaly vavaka Izy fa io indraindray no valiny. Mitaky fankatoavana avy amintsika ny valim-bavaka azontsika, na manao ahoana na manao ahoana ny fisehony, izany hoe : fankasitrahana (fanehoana fifaliana sy fahafaham-po) sy fanarahana.

 

Fantatsika tsara koa fa tsy tao Getsemane ihany, fa nanomboka tany Betlehema tao an-tranon’omby, toerana nahaterahany, ka hatrany Kalvarý, teo amin’ny hazofijaliana, toerana nahafatesany, dia nanatanteraka hatrany izay nahafaly an’Andriamanitra Rainy i Jesoa. Ary izao no fepetra takiany amin’izay te-ho vavolombelony : « Izay tia ray na reny mihoatra nohon’ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika ho Ahy, ary izay tia ny zananilahy na ny zananivavy mihoatra nohon’ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika ho Ahy. Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy mendrika ho Ahy. » (Matio 10 : 37-38). Midika izany fa ny Tompo Izay niantso antsika ho vavolombelony no tokony ho ambony indrindra eo amin’ny fiainantsika, ary hanaraka Azy amin’ny fankatoavana feno isika hatrany an-tranon’omby (fanetrentena sy fanilihana avy amin’ny hafa ary fahantrana lalina) ka hatrany Kalvarý (fanalàm-baraka sy fanamelohana tsy an-drariny ary fahafatesana mahatsiravina).

 


 

2°) Ny fanompoana andrasan’i Jesoa Kristy amin’ny vavolombelony dia fanompoana manontolo ho famonjena ny hafa

Hoy ny andininy 9-10 : « ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon’ny famonjena mandrakizay ho an’izay rehetra manaraka Azy, fa notononin’Andriamanitra hoe Mpisoronabe ‘‘araka ny fanaon’i Melkizedeka’’ ». Ny fahafatesan’i Jesoa sy ny fitsanganany tamin’ny maty ary fifonana ataony ho antsika olombelona eo ankavanan’Andriamanitra Rainy dia manome famonjena mandrakizay, izany hoe azo antoka sy mitondra ho any amin’ny fiainana mandrakizay, ho an’izay rehetra mino Azy (Romana 8 : 31-39).

 

Ny hoe : « Mpisoronabe ‘‘araka ny fanaon’i Melkizedeka’’ » eto dia mampiharihary ny maha-Mesia na maha-Kristy an’i Jesoa. I Melkizedeka dia tsy mpisoronabe fotsiny fa mpanjaka koa, ary i Jesoa Kristy dia Mpisoronabe tsara indrindra sady Zanak’Ondrin’Andriamanitra natolotra ho famonjena izao tontolo izao, sy Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka sady Mpanompon’i Jehovah feno fanetrentena, ary Mpaminanin’ny mpaminany sady Tenin’Andriamanitra tonga nofo. Feno ary atolony manontolo ho an’ny Rainy ho famonjena ny hafa, dia isika olombelona, ny fanompoana ataon’i Jesoa. Mahatalanjona fa, na efa vitany aza ny iraka nampanaovina Azy teto an-tany, dia mbola mitohy manompo hatrany Izy hatrany an-danitra eo ankavanan’ny Rainy, izany hoe : na efa nomena Azy aza ny fahefana rehetra (Matio 28 : 18 ; I Jaona 2 : 1-2).

 

Ny dikan’ny anarana « Melkizedeka » dia Mpanjakan’ny fahamarinana na rariny, miaraka amin’io koa ny anaram-boninahitra iray hoe : « Mpanjakan’i Salema », izany hoe : Mpanjakan’ny fiadanana na fandriam-pahalemana (Hebreo 7 : 1-10). I Jesoa ary dia mampanjaka ny rariny ary mitondra fiadanana ho antsika, amin’ny fanatanterahany ireo fanompoana telo maha-Kristy Azy : ny fanompoana maha-Mpisoronabe, ny fanompoana maha-Mpanjaka ary ny fanompoana maha-Mpaminany.

 

Fanompoana manontolo fa tsy sombintsombiny, ary fanompoana lavorary fa tsy zara fa vita, toy ny ataon’i Jesoa Kristy, no andrasana amintsika vavolombelony, mba hizaràna amin’ny olombelona rehetra ny famonjena lavorary vitany ho antsika. « Mpisoronabe araka fanaon’i Melkizedeka » Izy, noho izany mila manolotra ho Azy ny fiainantsika manontolo isika (Galatiana 2 : 20 ; II Korintiana 5 : 14-15) fa tsy ny ampahafolon’ny fananantsika ihany toy ny nataon’i Abrahama teo anatrehan’i Melkizedeka fahiny, izay tandindona milaza mialoha an’i Jesoa Kristy (Hebreo 7 : 6 ; Genesisy 14 : 16-20). Mila mampihatra ity fepetra takian’ny Tompo amin’izay te-ho vavolombelony manaraka ity isika : « Ary toy izany koa ianareo rehetra, izay tsy mahafoy izay rehetra anananareo, dia tsy azo ekena ho mpianatro » (Lioka 14 : 33)

 

Isika vavolombelon’ny Tompo dia tiany hanao fanompoana azo itarafana izay ataony, dia fanompoana ao anaty fankatoavana feno an’Andriamanitra ary fanompoana manontolo ho famonjena ny hafa.

Ho an’Andriamanitra Irery ny voninahitra. Amena

 

Mirary soa sy faherezana feno ary tontolo sambatra ho anareo.

Samia hotahian’Andriamanitra.

 

bottom of page