top of page
mofon'aina 13 aprily 2020

Ry havana,

Ho aminareo anie ny Fahasoavan’i Jesoa Kristy Ilay Fananganana ny maty sy Fiainana. Amena.

IREO FAHAVALON'NY VAVOLOMBELON'NY FITSANGANAN'NY TOMPO

Araka ny ambaran’ny Matio 28 : 11-15 dia misy fahavalo telo manohintohina antsika mpino eo amin’ny fitoriana amin’ny olombelona rehetra fa nandresy ny fahafatesana i Jesoa Kristy Tompontsika. Mety ho eo amin’ny hafa manodidina antsika izy ireo, ary mety ho eo amin’ny fiainantsika koa, ka mila iadiantsika sy toherintsika isan’andro.

 

1)° Fahavalon’ny vavolombelon’ny fitsanganan’ny Tompo ny fampielezana vaovao mandainga

Eo amin’ny andininy 13 dia afaka vakiana izao : « Lazao hoe : Ny mpianany no tonga alina ka nangalatra Azy, raha sendra natory izahay ». Ny fahavalon’ny vavombelon’ny fitsanganan’i Jesoa Kristy dia ny vaovao tsy marina, ny tsaho. Tena lainga tokoa ny vaovao nasain’ny lohan’ny mpisorona holazain’ireto miaramila ireto izay anisan’ny vavolombelona nahita sy niaina ny nandresen’i Jesoa ny fahafatesana (Matio 28 :1-5). Ny mpianatry ny Tompo izay nasaina hohenjehiny hoe nangalatra ny fatiny tao am-pasana dia samy efa rifatra nitsoaka nialoha ny nanomboana Azy tamin’ny hazofijaliana avokoa, noho ny tahotra nahazo azy ireo (Matio 26 : 55-56). Ny fasana nandevenana ny Tenan’i Jesoa rahateo tena tsara ambina sy mafy hidy (Matio 27 : 65-66).

 

Tena fahavalon’ny Fahamarinana lehibe sy mahavonjy asehon’ny Tompo amintsika olombelona, dia ny fandresen’i Jesoa Kristy ny fahafatesana, ny lainga amin’ny endriny rehetra. Izay mamafy vaovao mifototra amin’ny lainga rehetra dia tsy mijoro ho vavolombelon’i Jesoa Fiainana fa manao kosa ny asan’ilay « mpandainga sady rain’ny lainga » izay mitondra famonoana sy fahafatesana, dia ny devoly (Jaona 8 :44).

Izay mitory ny fitsanganan’ny Tompo dia tokony hahatsiaro mandrakariva fa Izy Jesoa no « Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana » (Jaona 14 : 6) ary « ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany any amin’ny farihy afo sy solifara ; izany no fahafatesana faharoa » (Apokalypsy 21 : 8).

2°) Fahavalon’ny vavolombelon’ny fitsanganan’ny Tompo ny fitiavam-bola

Noezahan’ny lohan’ny mpisorona sy ny loholona novidiana vola be ny marina sy ny fanahin’ireo miaramila izay nitatitra taminy ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty (andininy 12). Ny andininy 15a dia milaza ny tohin’izany : « Dia nandray vola izy ka nanao araka ny teny nomena azy ». Naleon’ireto miaramila ireto nanakalo ny Fahamarinana sy ny feon’ny fieritreretany ary ny hasina maha-olona azy tamin’ny vola sy harena etý an-tany (Matio 6 : 19-20).

 

Isika mpino dia mila mahatsiaro fa sady « tsilo » mangeja ny Tenin’Andriamanitra tsy hitombo sy hihatra eo amintsika ny « ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena » (Matio 13 : 22) no « fototry ny ratsy rehetra » izay mampivily antsika hiala amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy ny fitadiavana fatratra vola aman-karena (I Timoty 6 : 10). Mampahatsiahy antsika ny lalana mampahonena nizoran’i Jodasy Iskariota izay ninia niala tamin’ny fiombonana tamin’ny Tompo ka tonga hatramin’ny fivarotana sy famadihana Azy mihitsy, noho fitiavam-bola raiki-tampisaka tao aminy, ity zava-miseho ity (Matio 26 : 14-16 ; Jaona 12 : 4-6). Izay te-ho vavolombelon’ny fitsanganan’ny Tompo dia mahafantatra tsara ka mampihatra ity raiki-pohy ity : « Mpanompo mahasoa ny vola saingy tompo ratsy fanahy ». Eny am-pitoriana ny fandresen’ny Tompo ny fahafatesana, isika dia mila mitadidy sy manahaka ny toe-panahin’i Jesoa Tompontsika, dia Ilay na dia nanan-karena aza tao an-danitra sy amin’ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy, dia tonga mahantra noho ny amintsika olombelona, mba hampanan-karena antsika ny fahantrany fony Izy tety an-tany (II Korintiana 8 :9). Izy rahateo no efa nampianatra antsika hoe : « Tsy misy mahay manompo tompo roa (…). Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy Mamôna ianareo » (Lioka 16 :13).

 

 

3°) Fahavalon’ny vavolombelon’ny fitsanganan’ny Tompo ny fanamparam-pahefana

Niteny ny lohan’ny mpisorona eo amin’ny andininy 14 hoe : « ary raha misy milaza izany amin’ny governora, izahay dia hampanaiky azy ka hanao izay tsy hampaninona anareo ». Eto dia tena mivily lalana tanteraka ireto mpitondra fivavahana satria mampiasa ny fahefana nananany sy ny anjara toerany ara-piaraha-monina ho amin’ny tombontsoa sy ny voninahiny manokana. Ary misy olona hafa koa eto tarihany hanao tahaka izany, dia ny governora (Pilato) sy ireo miaramila izay samy tsy misy mijanona amin’ny anton’asany intsony fa lasa fitaovana eo am-pelantanan’ny olom-bitsy mirona any amin’ny tsy fahamarinana.

 

Fampianarana ny Tenin’Andriamanitra sy fitarihana ny hafa hanompo ny Tompo, indrindra eo anivon’ny fanompoam-pivavahana, no vaindohan-draharahana niantsoana ireo lohan’ny mpisorona. Saingy indrisy fa lasa mpamolavola teti-dratsy hibaikoana ny fahefana ara-pitondrana sy ara-pitsarana eto no niafaran’ireto ao anatin’ny tontolo ara-pivavahana. Ny tanjony ao anatin’izany dia ny fitandroana ny voninahiny manokana sy ny fiarovana mafy ireo tombon-dahiny mifamatotra amin’ny anjara andraikiny eo anivon’ny fiaraha-monina. Na dia tsy vavolombelona nanatri-maso ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty aza ireto lohan’ny mpisorona dia nanehoana porofo maharesy lahatra tanteraka fa nandresy ny fahafatesana Ilay nasain-dry zareo novonoina teo amin’ny hazofijaliana. Matim-boninahitra loatra anefa izy ireo ka naleony nandà ny hampielezana izany Fahamarinana izany, tamin’ny alalan’ny fanamparana na ny fampiasana tsy ara-drariny sy tsy araka ny tokony ho izy ny fahefana nampindramina azy.

Isika vavolombelon’ Ilay nitsangana tamin’ny maty dia entanina sy ampaherezina handositra ny lalana nizoran’ireo mpino izay lasa « fahavalon’ny hazofijalian’i Kristy » : « fahaverezana no hiafarany, ny kibony no andriamaniny, ny fahamenarany no voninahiny, fa misaina ny amin’ny tany izy. » (Filipiana 3 : 18-19). Tsy ho mpanompon’i Kristy ho afaka hitory ny Filazantsara marina, dia Ilay Jesoa maty teo amin’ny hazofijaliana sy nitsangana tamin’ny maty, isika raha sanatria « mbola mila sitraka amin’olona » (Galatiana 1 : 8-11). Ny fitoriana ny Filazantsara sy ny fampianarana ny Tenin’Andriamanitra no ivon’ny fiainantsika Fiangonana ary vaindohan-draharahan’ny mpitondra fiangonana (Matio 28 : 18-20 ; Filipiana 1 : 21-26 ; I Korintiana 9 : 16).

 

Raha fintinina dia natao hiatrika fahavalo telo, ao anatintsika sy eo amin’ny manodidina antsika, isika vavolombelon’ny fitsanganan’ny Tompo dia ny fampielezana vaovao mandainga, ny fitiavam-bola ary ny fanamparam-pahefana.

 

Ho an’Andriamanitra Irery ny voninahitra. Amena.

 

Mirary soa sy faherezana ary herinandro sambatra ho anareo rehetra.

Samia hotahian’Andriamanitra.

bottom of page