top of page
mofon'aina 02 Aprily 2020

Ry havana malala,

Ho aminareo rehetra anie ny Fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Amena.

« fa ny masonareo efa nahita ny asa lehibe rehetra izay nataon’i Jehovah » (Deoteronomia 11 : 7)

VAVOLOMBELON'NY ASA LEHIBE REHETRA ATAON'ANDRIAMANITRA ISIKA MPINO 

Mandritra ny androm-piainantsika dia tian’ny Tompo hijoro ho vavolombelona hanambara ireo asa lehibe vitany isika mpino. Araka ny voalazan’ny bokin’ny Deoteronomia 11 : 2-7 dia misy asa lehibe efatra tanterahan’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika manontolo, mandra-pahatongantsika ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra (tany Kanana), asa lehibe izay maha-vavolombelona antsika.

1°) Vavolombelon’ny fandravan’Andriamanitra ny fahefana mangeja rehetra isika : 

Vavolombelon’« izay nataony tany Egypta tamin’i Farao » (andininy 3b) ny vahoakan’Andriamanitra. Izany hoe : adidintsika ny miaina sy manambara amin’ny olombelona rehetra ny fanapahan’i Jesoa Kristy ny fangejana sy ny fanandevozana ataon’ny devoly sy ny fahafatesana ary ny fahotana amintsika olombelona.

2°) Vavolombelon’ny fanafoanan’Andriamanitra ny fahavalo manenjika antsika isika :

Vavolombelon’« izay nataony tamin’ny miaramilan’ny Egyptiana sy ny soavaliny ary ny kalesiny, dia ny nanasaforany azy tao amin’ny Ranomasina Mena » (andininy 4) ny mpanompon’Andriamanitra. Izany hoe : iantsoana antsika mpino ny fananana fatokiana an’Ilay Mahery momba antsika manoloana ireo fahavalo maro samihafa mifofo ny aintsika sy ny fitoriana ny fanafoanan’i Jesoa Ilay nandresy an’izao tontolo izao azy ireny.

3°) Vavolombelon’ny fiahian’Andriamanitra feno ny momba antsika manontolo mandritra ny fandalovantsika ety an-tany isika :

Vavolombelon’« izay nataony taminareo tany an’efitra hatramin’ny nahatongavanareo eto amin’ity tany ity » (andininy 5) ianareo Israely, hoy ny fampahatsiahivana avy amin’ny Tompo. Midika izany fa isika kristiana dia asaina mitory amin’ny hafa ny fahafahampontsika feno noho ny fikarakaran’ny Tompo ny momba antsika manontolo (vatana, saina, fanahy) isan’andro mandra-pahatonga antsika ao an-danitra (Kanana vaovao) eo am-piatrehana ny fiainan-tsarotra eto anivon’izao tontolo izao. Jesoa Kristy Ilay Mofon’aina Izay nidina avy any an-danitra no manome maimaimpoana ho antsika fiainana mandrakizay sy izay rehetra mahasoa antsika.

4)° Vavolombelon’ny fanadiovan’Andriamanitra ny Fiangonany isika :

Vavolombelon’« izay nataony tamin’i Datana sy Abirama, dia ny nisokafan’ny tany sy ny nitelemany azy » (andininy 6) ny olon’Andriamanitra. Araka ny voalazan’ny Nomery 16 dia niaraka tamin’i Ona sy Kora izy mirahalahy ireo, nikomy sy nitarika ny olona hikomy tamin’i Mosesy sy Arona izay notendren’Andriamanitra hitarika ny Israely. Ny fialonana sy ny fitiavan-tena no nanesika azy ireo hikatsaka ny toeran’ny mpitarika sy himonomonona tamin’ny nandaozana an’i Egypta hizotra ho any Kanana, araka ny fampanantenan’ny Tompo. Ny niafaran’izy ireo dia natelin’ny tany niaraka tamin’ny fianakaviany sy ny fananany rehetra. Izany hoe : Isika mpino dia tian’ny Tompo hiaina sy hizara amin’ny hafa ny fanadiovany tsy tapaka ny Fiangonany, amin’ny alalan’ny Ran’i Kristy, ny Teniny ary ny asan’ny Fanahy Masina, manoloana ireo toetra tsy mendrika rehetra : fialonana, fitiavan-tena, fizahozahoana, tsy fahaizana mankasitraka ny Tompo, ny ady sy ny korontana.

Vavolombelon’ asa lehibe ataon’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika isika mpino : fandravana ireo fahefana mangeja, fanafoanana ireo fahavalo manenjika, fiahiana feno ny momba antsika manontolo ary fanadiovana ny Fiangonana.


Homba sy hampahery antsika anie ny Tompo mba hahatonga antsika ho vavombelon’ny Fitsanganany. Ho an’Andriamanitra Irery ny voninahitra ! Amena.

bottom of page