top of page
mofon'aina 01 may 2020

Ry havana malala,

Ho aminareo anie ny Fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Amena.

 

ANKATOAVY NY FITARIHAN'NY FANAHY MASINA NY VATANTSIKA

 

Ao anatin’ny I Korintiana 6 : 12-20 dia ampianarina antsika fa misy lalam-piainana tian’ny Fanahy Masina hitarihana ny vatantsika mpino. Tokony hankato an’izany isika.

 

1°) Ankatoavy ny fitarihan’ny Fanahy Masina ny vatantsika ho afaka amin’ny fahalotoam-pitondrantena

Mitarika ny vatantsika hanalavitra ny fitondratena maloto rehetra ny Fanahy Masina. « Mandosira ny fijangajangana » no baiko mazava sy hentitra ho an’ny kristiana (andininy 18). Ny fijangajangana (nandikàna ny teny grika PORNEIA) resahina eto dia ny firaisana ara-nofo isan-karazany izay mifanohitra amin’ny lamina sy ny didy napetrak’Andriamanitra. Ny lamina sy ny didy nataon’Andriamanitra dia lehilahy anankiray miray amin’ny vehivavy anankiray ao anatin’ny fanambadiana (Genesisy 2 :24 ; 1 : 27-28 ; Matio 19 : 4-9). Santionany amin’ireo fitondrantena maloto ara-pananahana ny fakàna vadin’olona, ny firaisana ara-nofo eo amin’ny olona mitovy taovam-pananahana, (I Korintiana 6 : 9-11), ny firaisana amin’ny olon-tsy heny (I Korintiana 5 : 1). Fa ny Levitikosy 18, izay tsara raha vakiantsika manontolo, dia manome fanazavana misimisy kokoa mahakasika izany. Singanina ny andininy faha-3 amin’io izay mampahatsiahy amin’ny vahoakan’Andriamanitra fa fitondrantena miavaka, tena hafa, nohon’ny an’ny jentilisa mpanompo sampy, izao tontolo izao mandà ny Tompo, no asaina hiainany. Izany no fahamasinana sy fiombonam-piainana amin’Andriamanitra (Levitikosy 19 : 1-2).

 

2°) Ankatoavy ny fitarihan’ny Fanahy Masina ny vatantsika hitoetra amin’ny toerana sarobidy omen’ny Tompo azy​

Tarihan’ny Fanahy Masina hitoetra amin’ny toerana sarobidy omen’ny Tompo azy ny vatan’ny kristiana. Noho ny asan’ny Fanahy Masina dia manjary manana lanja sy toerana sarobidy ny vatantsika mpino. Noho ny famonjena lafo vidy vitan’i Jesoa Kristy, tamin’ny nandatsahany ny Rany teo amin’ny hazofijaliana (andininy 20a) dia tsy ny fahalovana sy ny fahafatesana no anjaran’ny vatantsika fa fitsanganan’ny tena amin’ny maty (andininy 14 ; Romana 8 :11). Ary manjary tempolin’ny Fanahy Masina mihitsy ny vatan’ny mpino (andininy 19 ; I Korintiana 3 : 16). Noho izany dia tsy tompon’ny tenantsika isika (andininy 19, 13b), izany hoe : tsy manam-pahefana hitondra ny tenantsika amin’izay tiantsika isika, fa ny vatantsika dia tokony hitoetra mandrakariva eo ambany fahefan’Andriamanitra ary hanatanteraka ny Sitrapony. Tsy fananantsika ary indrindra tsy fananan’ny mpivarotena, izany hoe tsy andevon’ny fahafinaretana ara-nofo maloto velively, ny tenantsika (I Korintiana 6 : 12).

3°) Ankatoavy ny fitarihan’ny Fanahy Masina ny vatantsika hanome voninahitra an’Andriamanitra

Mitarika ny vatantsika ho amin’ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ny Fanahy Masina. Ny hoe : manome voninahitra ny Tompo dia manaja Azy, manome lanja lehibe Azy eo amin’ny fisiantsika. Tsy ny fanahintsika ihany fa ny tenantsika koa no taomin’ny Fanahy Masina hanome voninahitra Azy (andininy 20b). Izay rehetra manam-pofonaina no antsoina hidera ny Tompo (Salamo 150 :6). Adidintsika kristiana ny miady amin’izay rehetra manimba ny vatantsika ka manamaloka ny voninahitr’Andriamanitra izay tafiany (I Korintiana 3 :17 ; Genesisy 1 : 26-27). Ny fanomezam-boninahitra ny Tompo amin’ny alalan’ny vatantsika dia tsy inona fa fanokanantsika tanteraka ny fiainantsika ho an’ny Tompo ka hiainantsika araka ny fiantsoany sy ny fifidianany antsika (II Tesaloniana 1 : 11-12). Rehefa manokana ny tenantsika hanao asa soa sy hiombona am-panahy amin’i Kristy isika dia manome voninahitra ny Tompo izany (Matio 5 : 16 ; Jaona 15 :8).

 

Ankatoavy ary ny fitarihan’ny Fanahy Masina ny vatantsika ho afaka amin’ny fahalotoam-pitondrantena, hitoetra amin’ny toerana sarobidy omen’ny Tompo azy ary hanome voninahitra an’Andriamanitra.

 

Ho an’Andriamanitra Irery ny voninahitra. Amena.

 

bottom of page